<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Festival Hymns</author>
<hymn_number>36</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Moa ho haiko tantaraina
 Ny hasoavanao ?
 Mifamatra tamin'aina
 Ny fitiavanao.
 Ny vahoaka sesehena.
 Izay nahazo famonjena
 No hidera Ilay Mpamonjy soa.
 Jeso no derao, Jeso no derao :
 Izay nataony ambarao :
 Jeso no derao.

[V2]
 Fiadanana nafoin'i Jeso Tomponay,
 F'efa tonga ny fotoana,
 Sitraky ny Ray
 Olom-bery nozahany
 Ny fatorany vahany
 Hajambana koa nalany
 Tsy ho ao
 Jeso no derao.

[V3]
 Hoderaina lalandava
 Ny Anaranao,
 Fa ny aizina nisava
 Eo imasonao :
 Na tsy tian'ny sasany aza
 Ny Anaranao malaza,
 Izaho kosa hankalaza Azy re.
 Jeso no derao, Jeso no derao :
 Izay nataony ambarao :
 Jeso no derao.
 JESOSY KRISTY
 TOMPO
 1. NY FIHAVIANY
 SY NY FIVERENANY</lyrics>
<title>Moa ho haiko tantaraina ny hasoavanao FFPM36</title>
</song>